VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka omaly ny asa fandavahana lavadrano. Tanjona ny hanampy tosika ny fama­tsian-drano amin’ny faritra eto Antananarivo sy ny manodidina. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa mitentina 4 995 019 000 Ar ny teti-bidin’ireo asa.
Mbola hiverina ao Antsiranana ilay sambo lehibe « Norwegian Dawn » nitondra mpizahatany 2000 mahery, raha tokony hiantsona ao an-toerana. Nanohy ny diany any amin’ny nosy La Réunion izy rehefa tsy tomombana ara-teknika ireo fotodrafitrasa tokony hiampitan’ireo mpandeha. Handroso vahaolana ihany koa ny eo anivon’ny APMF.
Narafitra ny tetikasa « Tosika Angovo » (Tango), hampidirana herinaratra eny ambanivohitra (Ceri). Mamatsy vola azy ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ/Perer 3). Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.
Manomboka ny asa fanamboarana ny tetezana any Matraoany, miditra eo Morafenobe (RNT8). Mampitohy an’Ambatomainty sy Morafeno­be, faritra Melaky, ity tetezana ity. Lasan’ny rano tamin’ny janoary 2023 ny « radier » teo, ka fivilian-dalana no natao hatramin’izay. Mirefy 21 m ny tetezana vaovao amboarina.

Partager sur: