Faradoboka amin’ny fampielezan-kevitra anio, andro fanginana rahampitso, fandatsaham-bato rahafakampitso… Ho haingana be ny fiakaran’ny voka-pifidianana, fa ny kaominina no fari-pifidianana. Iza no ho voafidy? Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila tanana hatramin’ny farany ny filaminana sy fitoniana efa iainana amin’izao; eny, na misy aza ny tahotra sy ahiahy ny amin’izay fifidianana izay. Mahabe resaka ny sasany amin’izao, ohatra, ny amin’ny fahazoana mangataka didy hitsivolana nahazoana nisoratra anarana amin’ny lisi-pidianana. Eo hatrany ny fampiakaram-peo etsy sy eroa ny amin’ny tokony hahamarina sy hampangarahara ny fanatanterahana ny fifidianana.
Misy hatrany ny mampitandrina amin’izao na izatsy. Hanao ahoana? Tsy ilaozan’izay miandry kendry tohina. Koa raha misy indro kely idirana dia manararaotra mampiaka-peo, mety manakorontana aza. Izay no itandremana na ny fihetsika na ny vava avoaka. Miara-dalana amin’izany ny fanajana ny lalàna sy izay rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana. Fomba fiadin’ny sasany ny be sy avo vava mialoha. Koa raha vao misy hirika hidirany fa tsy araka izay niheverany azy ny fizotran’ny raharaha dia… Aoka re e! Misy ny mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ny kandidà natolony na tohanany, ohatra, no voafidy eo. Raha tsy izany, misy hosoka sy hala-bato ny fifidianana. Inona intsony no anaovana latsa-bato raha samy hitompo teny fantatra toy izany?
Fiteny ny hoe tsy misy mahazo tombontsoa amin’ny korontana, nefa tena ao ny miketrika sy mahita tombondahiny amin’izany. Rehefa tsy araka ny tombontsoany ny fizotran’ny raharaha na mikorontana izay mety ho tombontsoany dia… Aoka re e! Ho azo amin’izany ve ny vahoaka ifotony amin’izao fifidianana tena manakaiky azy izao? Tsy didy fa adidy ny mifidy…
R. Nd.