Aina vao ho an’ny tontolon’ny sarimihetsika. Nampahafantatra ny fisian’ny “Creashort Festival” andiany voalohany, ny Cinevore Studio, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ony House Ambatobe. Hetsika iray mikendry ny hampiroborobo ity sehatra ity, amin’ny alalan’ny fifaninanana sarimihetsika fohy izy io. Tsy mitovy amin’ny fifaninanana efa nisy hatramin’izay anefa, fa niainga tamin’ny fototra mihitsy ny mpikarakara izay notohanan’ny tetikasa Ony.
Mpanatontosa 71 no namaly ny antso voalohany, ka nomen’ny tetikasa fiofanana fototra momba ny sarimihetsika ny 7 hatramin’ny 9 novambra lasa teo. Taorian’ izay, nomena ny lohahevitra sy ny masontsivana takina izy ireo, hanatontosany sarimihetsika fohy 5 hatramin’ny 7 minitra. Nanana roa herinandro ireo mpifaninana hamitany ny sanganasany, ka 11 tamin’ireo no notanan’ny mpitsara hiatrika ny dingana famaranana.
“Natao hanomezan-danja ny talentan’ireo tanora ny hetsika, ankoatra ny fampiroboroboana ny sarimihetsika malagasy”, hoy i David Mirado, tomponandraikitry ny Cinevore Studio. Alefa amin’ny Facebook ireo sarimihetsika ireo mba handraisan’ny mpankafy anjara amin’ny fitsarana ihany koa. Aorian’izay, hamoaka ny vokatra ny 14 desambra izao ireo mpitsara, ahitana an’ireo matihanina amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Loka telo no hozaraina, amin’izay, ka ny “Clash d’or”, arahina lelavola 1 tapitrisa Ar no voalohany. Ny “Prix du jury” sy ny “Prix du public” kosa dia samy hahazo 5 hetsy Ar avy.
Zo ny Aina