Misy tsy mety fay mandika lalàna mihitsy ny sasany amin’ny fitazonana any an-trano biby tsy fiompy. Tsy mandefitra na kely aza ny fanjakana.
Tratra tao amin’ny toerana fialamboly iray eny Itaosy, ny sabotsy 7 desambra teo, ny varika miisa telo, notazonina antsokosoko. Angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no namantarana ity tranga ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny tomponandraikitra ao amin’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Nampiharina ny lalàna manan-kery ary nogiazana ireo varika miisa telo, napetraka tamin’ny toerana voatokana ho azy. Manamafy ny Medd fa tsy biby fiompy ny varika. Voararan’ny lalàna tanteraka ny fihazana ny varika, ny fitazonana, ny fihinanana, ny famarotana ary ny fanondranana any ivelany. Paikadin’ny minisitera hatramin’izay ny tsy fisian’ny fandeferana mihitsy na kely aza. Hatao ny famotorana ary hoentina eny anivon’ny fitsarana ny raharaha, hampiharana ny sazy araka ny lalàna velona.
Manentana ny rehetra ny Medd hampandre ny tranga toy izao, amin’ny laharana maitso, maimaimpoana, 955. Tsiahivina fa tazonina ho tsiambaratelo ny anaran’ny olona manome ny vaovao.
Fitazonan’ny olon-tsotra
Mila olona manana traikefa ny fikarakarana ny varika, hitandroana ny fahasalamany. Manamarika ny fanjakana fa anisan’ny mamelona ny tsenan’ny fanondranana any ivelany sy mampirongatra ny fihazana azy any anaty ala ny fitazonan’ny olon-tsotra ny varika.
Tsiahivina fa tafaverina teto Madagasikara, ny 4 desambra teo, ireo varika miisa 31 sy sokatra miisa 155, andiany faharoa tamin’ireo biby tratra nisy nanondrana antsokosoko tany Thailande. Tonga ny 1 desambra kosa ny andiany voalohany, varika niisa 16. Efa napetraka any amin’ny toerana voatokana avokoa ireo biby ireo, hanaraha-maso ny fahasalamany.
Njaka Andriantefiarinesy