Fizahantany RN7: «Influenceurs» miisa 10 hampahalala ny any Atsimo

Nampahafantarin’ny tale mpanatanteraka (D.E) ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), Bari­velo Danny, ny sabotsy teo, ny tetikasa «Madagascar Inchar­ted : Behind the Baobabs». Miara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny orinasa Where is This, matihanina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany maneran-tany. Vahiny miisa 10 avy any amin’ny firenena samihafa (Eoropa, Afrika, Azia, Aostralia) no hitsidika ny toerana mahaliana manamorona ny lalampirenena RN7, ny 8 hatramin’ny 24 desambra 2024. Manana ny mampiavaka azy avy izy 10 mianadahy, ahitana mpamorona na mpamokatra horonantsary, tale artistika … ary olo-malaza amin’ny tambajotra sosialy (influenceurs). Handeha moto sy fiara izy ireo, hihazo an’i Moron­dava, An­tsirabe, Ambositra, Fianaran­tsoa hatrany Toliara sy Salary. Hotsidihin’izy ireo ny toerana manan-danja amin’ny fizahantany eto amintsika, indrindra ny tontolo mananaina samihafa mampiavaka antsika, manampy ny baobaba. Tan­jona ny hampahafantarana fa firenena sangany azo tsidihana i Madagasikara.

*
Njaka A.

Partager sur: