Davalt Rwikordz : lasa ambasadaoron’ny Yas ireo mpanakanto vokariny

Vao tamin’ny zoma no nisantatra azy i Ceasar. Avy hatrany dia ireo mpanakanto vokarin’ny Davatz Rwikordz kosa no indray nanatevina ny fianakaviamben’ny Yas, nanomboka omaly.

Dingana iray indray ho an’ny Davalt Rwikordz. Nampahafantarina oma­ly fa miara-miasa amin’ny Yas Madagasikara manomboka eto ity trano mpamokatra mpanakanto anisan’ny malaza indrindra ity. Tsy vitan’izay fa lasa ambasadaorin’ity orinasan-tserasera ity ihany koa, araka izany, ireo mpanakanto vokarin’ny Davalt Rwikordz. « Betsaka ny talenta malagasy mila atosika sy ampahafantarina manerana izao tontolo izao. Efa nisafidy ny hanome sehatra ny tanora ny Yas ka mizotra mankany amin’izay ny fiaraha-miasa amin’ny Davalt Rwikordz izao. Miavaka kely ny amin’ity satria tsy mpanakanto toy ny mahazatra fa trano mpamokatra lehibe sy ireo mpanakanto rehetra miara-miasa aminy no tonga nanatevina ny fianakaviambe Yas”, hoy ny nambaran’i Henintsoa Randrianjato­vo­narivo, tomponandraikitry ny seraseran’ny Yas Mada­gasikara, nandritra ny lanonana nandraisana ireo mpanakanto, omaly.
“Marobe ireo mpanakanto ao amin’ny Davalt Rwikordz, na ireo efa malaza na ireo vao hanao mozika mihitsy. Avy amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara izy ireo, hitanay fa manana mozika hozaraina ary tosika amin’izany izao fiaraha-miasa izao”, hoy kosa i Davalt, tale jeneralin’ity trano mpamokatra mozika ity.
Mpanakanto 30 eo ho eo, araka izany, no indray nanatevin-daharana ireo efa ambasadaorin’ny Yas. Tsy misy fanavahana fa sady avy amin’ny faritra maro no mivoy gadona maroloko avokoa izy ireo: Mopcaan (afro beat), Jaquis Randria (variété, soul), Parish (afro zouk, afro pop), Tanjona Randrianarivelo (folk, Rn’B, afro pop), Mameno (salegy), Pharaon (ragga, dancehall), Jam Jued (rap), Jhaless (afro pop), Maman’i Tsôlôlô (antsa sakalava), sns.
Hanampy an-dry Ceasar, izay vao tamin’ny zoma no nampidirina ho ambasadaorin’ny Yas, manampy ireo efa ambasadaoron’ny Telma hatramin’izay izy ireo.
“Betsaka ny fiaraha-miasa vaovao sy ny hatsaraina ato ho ato. Ho maro ny hetsika iarahana amin’ireto tanora mpanakanto ireto, araka izany”, hoy hatrany ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Zo ny Aina

Partager sur: