Niherina tamin’ny alahady teo ny nahalasanan-dRandriamirana Jean de La Croix, na i Delacre. Fantatry ny maro amin’ny maha mpamoron-kira fototra sy lehiben’ny tarika Black Jack’s izy. Izy no lasa fa ny kantony mitoetra. Lasa namela mamy ihany koa i Delacre, satria notohizan’ireo zanany ny zavakanto. Anisan’ ireo nanara-dia azy sy mamelona ny sanganasany i Mickael zanany, na monina any ivelany aza.
“Dada be fitiavana sy mpanakanto, olomangan’ny mozika malagasy izy, raha tsy hiteny afa-tsy ireo hafatra soa navelany amin’ireny sanganasany maro nataony ireny. Ka mba manam-paniriana aho ny hanangana tsangambato ho fahatsiarovana an’i Dada, hapetraka eny Soavina, eo amin’ny toerana nametrahana azy. Mino aho fa mba mendrika an’izany izy ary ho tsangambato hipetraka hoentintsika milaza fa tsy hadino mandrakizay izy sy ny sanganasany”, hoy i Mickael.
Nanokatra rohy ao amin’ny www.leetchi.com i Mickael, ifanentanany sy hanasany izay mitovy fijery aminy amin’izay fikasany izay. Afaka mandray anjara avokoa ireo mpankafy an’i Delacre, na eto Madagasikara na any ivelany amin’izany. Tsy mbola voafaritra kosa ny fotoana hanatanterahana ny tsangambato.
Zo ny Aina