Saripika an-dalambe. Anisan’ireo vehivavy 54 mpaka sary avy amina firenena maro, voafidy hiatrika ny famaranana ka hampiranty ny sanganasany any Brésil, i Aina Zo Raberanto. Mandritra ny “Festival Foto Brasil” ny voalohany, ny 25 hatramin’ny 27 avrily 2025 ary ny 4 hatramin’ny 7 septambra kosa ny faharoa, anatin’ny hetsika Paranapiacaba.
Boky nohavaozina. Fantatra ny faran’ny herinandro teo fa hasiam-panovana ilay boky “Valihan’ Ikaky”, hoenti-mandalina momba ny tontolon’ny zavamaneno malagasy sy ny haifanahy. Hozaraina fito ny famoahana izany amin’ny taona 2025. Antony nahatonga ny fanapahan-kevitra ny fahitana fa mora kokoa ny sarany maka ity endrika vaovao ity.
Ampahafantarina mandritra ny “Sehatry ny mpanoratra” i Faniry Hantanarivo. Izy no nosafidian’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, homena sehatra mandritra ity volana desambra ity. Mpanoratra avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania izy, ka ny ranty ao amin’ny pejy facebook an’ny minisitera no nanombohana ny fampahafantarana an’i Faniry Hantanarivo sy ny sanganasany.