Harena ambanin’ny tany: Hamokatra fasimainty 960 000 t isan-taona ny Base Toliara

Karazan-tany efatra no hotrandrahin’ny Base Toliara. Efa misy fahazoan-dalana, ny fasimainty, ny zircon, ny rutile, fa mbola hakana fahazoan-dalana vaovao ny monazite.

Araka ny efa fantatra, hanohy ny fihariany ny orinasa Base Toliara, rehefa nihantona nandritra ny 5 taona. Miisa telo ny karazana akoram-pasika (sables minéralisés) voafa­ritra ao anatin’ny fanadihadiana nivoaka ny septambra 2021. Mahatratra 960 000 t isan-taona ny fasimainty (ilménite), 66 000 t/taona ny « zircon » ary 8 000 t/taona ny « rutile ». Manampy ireo, nisy fanadihadiana savaranonando natao, navoaka ny desambra 2023, fa azo hatao koa ny manodina indray ny akoram-pasika, ka ahazoana monazite 21 800 t isan-taona.
Sokajiana ao anatin’ny akorantany saro-pady ny fasimainty, ny « zircon » ary ny « rutile ». Tsy mitsaha-mitombo ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ao anatin’ny antenantenam-potoana sy lavitr’ezaka. Ampiasaina amin’ny lafiny indostria izy telo ireo, toy ny fanamboarana loko, taratasy, ny fa­mokarana akora « dioxyde de titane », ilaina amin’ny zavatra metaly na bakoly (cérami­ques).

Fahazoan-dalana fanampiny

Tafiditra ao anatin’ny akorantany saro-pady ihany koa ny « monazite ». Ilaina amin’ ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika, indrindra amin’izao fotoan’ny fiampitana man­kany amin’ny fampiasana ny angovo madio izao. Mila fahazoan-dalana fanampiny hampidirina ao anatin’ny fanomezan-dalana hitrandraka avy amin’ny fanjakana ny tetikasa Base, mialoha ny fitrandrahana. Manodidina ny 3 taona ny famoahana bokin’andraikitra vaovao sy ny fananganana ny fotodrafitrasa hatsangan’ny Base Toliara.
Hanamafy ny maha zava-dehibe ny fitrandrahana any Ranobe Toliara II, ataon’ny orinasa ny harena aterany, sady hitondra fampandrosoana ara-toekarena any ifotony sy ho an’i Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: