Niofana mahakasika ny fanatavezana drakaka ny mpikambana ao anatin’ny VOI FMM any amin’ ny fokontany Antrema, kaominina Katsepy, distrika Mitsinjo, ny 6 sy 7 desambra teo. Nisy koa ny fomba fanamboarana dobo amin’ny fiompiana drakaka. Tanjona ny hanatsarana ny fihariana ataon’izy ireo sady hampitoboana ny fidiram-bolany. Nanohana ny fiofanana ny fitantanam-paritry ny Jono (DRPEB) Boeny sy ny ONG Identi’Terre.
Feno 70 taona ny Laboratoara nasionaly ny asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB). Andraikiny ny manao fanadihadiana, fitsirihana, fanaraha-maso ara-jeoteknika sy ara-teknika ho an’ny fanjakana, mahakasika ny fanamboaran-dalana sy ny taotrano. Eo koa, ny fanajariana seranam-piaramanidina, ny seranan-tsambo, ny asa mifandraika amin’ny ranomasina sy ny renirano, ny tohodrano, sns. Manana mari-pamantarana ISO 9001 ny LNTPB.