Antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaominina ambanivohitra ny fisitrahana herinaratra. Mampivelatra ny toekaren’ny mponina sy ny fahaiza-manaony izany.
Kihon-dalana lehibe manamarika ny fampiroboroboana ny herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra ny fandaharanasa National Barefoot College (PNBC). Miara-miasa amin’ireo mpisehatra ifotony mba hisitrahana ny herinaratra izy ireo. Miara-miombon’antoka aminy ny komitim-pahazavana avy ao amin’ny faritra Menabe sy Melaky sy ny vehivavy injeniera momba ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro (FIS). Noho izany, nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefa azony ary ireo fanamby napetrany nandritra ny atrikasa nataony, ny volana oktotra teo, ireo vehivavy injeniera. Tanjona ny hahatongavan’izy ireo ho teknisianina matihanina eo amin’ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro.
Mitondra voka-tsoa
Nisitraka ireo torohevitra samihafa hanatsarana ny fitantanam-bola, fikojakojana ireo fitaovana nandritra ny atrikasa natao ireo mpandray anjara. «Zava-dehibe loatra ity atrikasa ity. Nampiharinay avy hatrany tamin’ireo fivoriana natao ireo torohevitra nozaraina», hoy ny mpitahiry vola eo anivon’ny komitim-pahazavana avy ao Kivalo, Nivoarisoa Taovelo Perline. “Nanampy tamin’ ny fampitomboana ny fahaiza-manao sy faharaha-maso ireo kojakoja ampiasaina ireo traikefa azo”, hoy i Miarline, teknisiania momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro avy ao Ambararata. Notsindriany manokana fa nampiharina mivantana tany any amin’ny kaominina niaviany ireo fahalalana azony. Tanjona apetraky ny WWF, Barefoot College Madagascar ary ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ao anatin’ireo hetsika ireo hampahaleo tena ireo mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tafiditra ao anatin’ izao ny fisitrahan’izy ireo ny hazavana azo avy amin’ny herin’ny masoandro ara-kalitao.
Henintsoa Hani