Voaresaka nandritra ny hetsika « Ceo Summit », ny herinandro teo, ny lohahevitra momba ny Fametrahana mialoha ny paikady hisorohana ny krizy. Nitondra fanazavana mahakasika ireo fanamby sy fomba hamahana ireo olana misy amin’izao fotoana izao ireo manampahaizana sy mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany. « Ilaina ny hametrahan’ny fitondram-panjakana politika mifanaraka amin’ny zava-misy », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Tsy safidy, hoy izy, ny fanarahana ny krizy. Nilaza kosa ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, Arnaud Guillois, fa zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fanjakana.
Afrika
Nanazava ny «paradoxe africain» kosa ny Dr Fabrice Lollia, mpikaroka sady talen’ny fiarovana ao amin’ny vondrona Axian. Nambarany fa mora mandray ireo teknolojia niomerika i Afrika saingy vitsy ireo mahafehy sy mahafeno fepetra amin’ ny fampiasana izany. Nitondrany fanazavana ireo lokanadin’ ny Cybercriminalité sy ny hosoka niomerika izay hita betsaka eto Madagasikara. « Mifameno amin’ny fahaiza-manaon’ny olombelona sy ny fanavaozana entiny ny fanofanana azy
amin’ny fikirakirana ny teknolojia », hoy ity manampahaizana ity. Mila hasongadina ireo paikady mazava sy voaramarina, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Star, Matthieu Seguin. Notohizany fa zava-dehibe ny fahaiza-mitantana sy mahomby ny serasera hisorohana ireo ambana mety hitranga amina orinasa raha sendra tojo ny Cyberattaque. Nahafahana nandinika sahady ireo fanamby niomerika sy vinam-panjakana ary lamina ho an’ny ho avy mamiratra sy maharitra ny fifanakalozana natao.
Henintsoa H.