Voarafitra avokoa ny piakady nasionaly hampiharana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Nisy ny fakan-kevitra tamin’ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana isan-tsokajiny manerana ny Nosy, nentina nandrafetana izany. Nanohana tamin’ ny famolavolana ity paikady ity ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Natolotra ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny alarobia teo, teny Ivandry, ny boky mirakitra ireo paikady hampiharina entina mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Aim-pandrosoana sy fanambinana ho an’i Madagasikara ny Zlecaf. « Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenentsika io paikady io », hoy ny minisitra. Betsaka ny tombontsoan’ny firenena amin’ny fidirantsika anatin’ny Zlecaf. Marihina fa mpiara-miasa sy mpiara-miombon’ antoka amin’ny fandrafetana ny paikady nasionaly ny Pnud sady tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny asa.
Henintsoa H.