Hiatrika ny manasa-dalan’ny Cosafa ny ekipam-pirenena malagasy Barea, sokajy zandriny U17, izay atao any Afrika Atsimo. Nahintsan’izy ireo ny ekipa mpampiantrano, Afrika Atsimo.
Tafakatra amin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, vehivavy, sokajy zandriny U17, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, Cosafa, i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i Afrika Atsimo, mpampiantrano, omaly, tao amin’ny Kianja UJ Soweto Johannesburg.
Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, 17 minitra nanombohan’ny lalao, nahatafiditra baolina i Oliva, vehivavy malagasy mpilalao. Tsy niova tamin’io isa io intsony hatramin’ny fiafaran’ny lalao, na dia efa nanenjika ny isa aza ny Afrikanina tatsimo. Azo lazaina, araka izany, fa tsara ny vokatra azon’i Madagasikara, tamin’ity fifanintsanana ity. Nahazo fandresena telo tamin’ireo lalao telo natrehiny izy ireo. Tombony ho an’ny Malagasy tamin’ity ny fiomanana sy ny tanjaka ary ny vatana.
Raha tsiahivina ireo fihaonana roa teo aloha, nandresy 5 no ho 0 an’i Namibie, ny vehivavy malagasy, teo amin’ny andro voalohany. Nandavo an’i Malawi, 4 no ho 2, kosa tamin’ny andro faharoa.
Manasa-dalana
Araka ny fikarohana natao, hotanterahina rahampitso, ao Johannesburg ihany, ny lalao manasa-dalan’ny « Cosafa U17 ». Ny ekipam-pirenen’i Zambia, izay voalohany ao amin’ny vondrona C, no hifandona amin’i Madagasikara amin’izany. Tsiahivina fa nandresy intelo ihany koa i Zambia, nandritra ity fifanintsanana ity, ary nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 10 no ho 0 i Maurice, omaly.
Fitia Randria