Tsy mitsahatra mamerina ny hasina sy ny maha izy ny zavakanto sy ny kolontsaina ny Tranomboky monisipaly Analakely. Raha tsiahivina, ny volana oktobra 2023 ity trano famakiam-boky ity no niverina nisokatra indray, taorian’ny fanavaozana sy fanatsarana natao azy. Hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina maro no hita eny an-toerana. Tanjona ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny zavakanto. Eo ihany koa ny famerenana ny hasina sy ny maha izy ny toerana amin’ny maha ivontoeran’ ny kolontsaina azy.
Hita eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely avokoa na zavakanto malagasy na avy any ivelany. Ankoatra ny boky mirakitra tantara sy fahalalana maro isan-karazany, anisan’ny hita eny an-toerana ny hetsika fitantarana angano sy tantara foronina. Eo ihany koa ny “Lecture en rire”, fampiroboroboana ny vaky boky amin’ny alalan’ny hatsikana. Ny “Maimbo olombelona”, kilalaon-tsaina malagasy. Ny “Slam Session”, sehatra misokatra ho an’ny mpiangaly “Slam poésie”, indrindra ireo vao misandratra.
Lin