Tsy afaka manomboka ny famboleny ny tantsaha mamboly vary vakiambiaty satria tsy milatsaka ny orana. Vokany, mihalafo ny vidim-bary ho an’ny mpanjifa.
Tao anatin’ny andro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 3 700Ar ny kilaon’ny vary Makalioka eny an-tsena raha toa 3 000Ar izany teo aloha. Manodidina ny 3 300Ar ihany koa ny kilaon’ny vary gasy raha novidiana 2 800Ar izany herinandro vitsy lasa izay. Mampikaikaika ny mpanjifa ny zava-misy, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao, vanim-potoana mampiakatra ny vidin’entana amin’ny ankapobeny. Nambaran’ny mpamongady eny amin’ny tsenan’Anosibe sy Andravoahangy fa mihena ny famatsiam-bary avy any amin’ny mpamokatra, toy ny any Ambatondrazaka, mahatonga ny fiakaram-bidy. Eo koa ny antony hafa ny haratsian’ny lalana mankaty an-dRenivohitra amin’ireo faritra hafa. Ahina hitohy ny fiakaran’ny vidim-bary satria tsy afaka manetsa ny ankamaroan’ireo mpamboly vary vakiambiaty, toy ny any Ambatondrazaka satria tsy mbola milatsaka ny orana hatramin’izao any an-toerana. Tsy mbola miakatra koa ny varialoha, tena ambolena eto Antananarivo, toy ny eny Betsimitatatra, Laniera, Atsimondrano, Avaradrano, sns.
Ifampitadiavana
Etsy ankilany, mihavitsy ny vary nafarana avy any ivelany, toy ny stock sy ny Riz de luxe eny an-tsena. « Ifandrombahan’ny mpanjifa izany noho izy mbola mora vidy raha oharina amin’ny zava-misy amin’izao », hoy ny mpaninjara iray eny Analamahitsy. Vidiana 3 200Ar ka hatramin’ny 3 700Ar ny kilaon’ny Riz de luxe. Vokany, tsy maharaka intsony ny tolotra ny tinady. Ho an’ireo mpamongady eny Anosibe, vidiana 3 440Ar ny kilaon’ny vary Makalioka. 3 200Ar kosa ny kilaon’ny vary gasy raha toa ka eo anelanelan’ny 2 600Ar ka hatramin’ny 3 100Ar izany teo aloha.
Henintsoa Hani




