Hatao ny 12, 13 ary 14 desambra ny foara « Noelin’ny Asa tanana » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, andiany faharoa. Hampisongadinana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny famoronana, ny fiangaliana, toy ny kojakoja, firavaka, ny fitafy sy akanjo, ny sakafo, sy ny hafa. Hisy koa ny fampisehoana famokarana, fisakafoana, sns.
Mitotaly 4 700 ny sahona naverina tany anaty tontolo voajanahary nataon’ny orinasa Ambatovy. Karazana « mantella aurantiaca », tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izy ireo. Nanomboka ny taona 2012 no nanombohana ny tetikasa entina hiarovana azy satria, anisan’ny karazam-biby tandindomin-doza.
Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny toe-draharaha ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Taolagnaro, taorian’ny firehetana tao amin’ny salon d’honneur, omaly maraina. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo tomponandraikitra mba tsy hiantraika amin’ireo sidina ao an-toerana ny zava-misy. Mbola tsy voafaritra kosa ny nahatonga ny loza.
Nigadona tao Antsiranana, omaly, ilay sambo M/S Norvegian Dawn, nitondra mpizahatany 2 166. Nidina teo amin’ny seranan-tsambo, omaly maraina, ireo mpandeha ka nitsidika ny faritra. Tsiahivina fa tokony ho nandalo tao an-toerana tamin’ny herinandro teo ity sambo ity saingy nanodina ny diany any amin’ny nosy La Réunion noho ny tsy fahatomombanana ara-teknika sy ny fotodrafitrasa.




