Hotanterahina ny sabotsy 14 desambra izao, eny amin’ny Dojo Hakudokan Anosy, ny “Meeting des arbitres”, ho an’ny taranja judo. Fotoana natao ho fiomanan’ireo mpitsara amin’ny fanadinana hatrehin’izy ireo mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny 20,21,22 desambra izao izany.
Mikarakara fifaninanana mialoha ny hanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ny Ligin’Analamanga ny volley-ball. Fifaninanana antsoina hoe “presaison tournamanent”, hatao ny 21 sy 29 desambra izao, eny amin’ ny kianjan’Itaosy.
Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny fiofanana mahakasika ny “Médecines de sport et anti-dopage”, eto amin’ny ranomasimbe Indiana, izay tanterahina eto Madagasikara. Sehatra iray izay tsy afa-misaraka amin’ ny fanatanjahantena.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny MPTC Andranobevava, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, sokajy Vehivavy sy Vétérans. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny vehivavy, Razafindrabiaza Christine (ligy Analamanga, Club CGM).




