Rock fusion : Tsy mitsaha-mikaroka ny Groupe Hell’s

Taona 2017, tafatsangana ny Groupe Hell’s. Ny « rock fusion » na ny « rock », nasiana fangaron-gadona hafa nolo­kon’ny mozika trandrahin’ny tarika. Tsy mitsahatra ny mikaroka ireo mpikambana ao aminy.

Fikarohana roa no ani­san’ny mampiavaka ny Groupe Hell’s miangaly ny « rock fusion » na ny « rock » asiana fangaron-gadona hafa tahaka ny « blouse ». Iray amin’ireny ny fametrahana hevi-dehibe miompana amin’ny fandriampahalemana sy ireo tontolo mifamatotra amin’ izany, ao anaty tononkira. Ani­san’ireny ny firaisankina, ny fitiavana amin’ny endrika ma­rolafy (ray aman-dreny, tanindrazana, ny tontolo iainana, sns). Mitodika amin’ireo iha­ran’ny tsindry hazolena eny amin’ny fiarahamonina (zaza amam-behivavy, zokiolona). Manentana mba hanajano­nana ireo ady amoizana ain’ olombelona vokatry ny fitiavan-tenan’ireo mpitondra ihany koa ny Groupe Hell’s… « Tom­bony ananan’ny tarika ny fahaiza-mamoron-kira, satria, samy manao izany ny mpikam­bana rehetra », hoy i Chloé Soavina, vavitokana ao ana­tin’ny tarika. Samy manana traikefa matanjaka amin’ny fiangaliana ny rock rahateo ireo mpitendry zavamanenon’ ny Groupe Hell’s.
« Rock fusion » ampiasana zavamaneno tsotra

Mikaroka hatrany ireo mpikambana ao anatin’ny Groupe Hell’s ny amin’izay fomba ahafahana manolotra mozika vaovao mahafeno ny famaritana ny kanto. Ampahany amin’ny asa fikarohana ataon’izy ireo ny fiangaliana ny rock amin’ny fampiasana ireo zavamaneno tsotra (acoustique). “Mora kokoa ny mampita ny hafatra anatin’ny tononkira ary tsy sarotra ny manainga ilay fihe­tseham-po lalina raiketin’ireo sanganasa ho any amin’ireo mpankafy anatin’ny fampia­sana ireo zavamaneno mai­vana toy ny gitara tsotra sy ny korintsana ary ireo amponga vita malagasy », hoy hatrany i Chloé Soavina.
Chloé Soavina (feo sy fi­ten­drena ny vatamaroafitsoka), Lallah Ramaharoson (am­ponga maroanaka), Andry Ramamon­jisoa sy i Karim Djinah (gitara), Mampionona (gitara beso) no mandrafitra ny Groupe Hell’s.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: