Toy ny isan-taona, apetraky ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP) ho soatoavina ny fidinany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy miarahaba sy mirary soa ny polisim-pirenena eny amin’ny toeram-piasana misy azy avy. Nanombohana izany ny Hery vonjy taitran’ny polisy eny Antanimora, nitohy teny amin’ny commissariat central Tsaralalana, teny amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy, teny amin’ny commissariat central Tanjombato, CSP Itaosy, CSP Alasora, commissariat central Sabotsy Namehana ary namaranana azy ny teny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy eny Ivato (ENSP) sady fotoana nihaonana tamin’ny PAF (polisy misahana ny fiarovana ny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato) ihany koa. Tao anatin’izany no nanomezany toromarika amin’ny hanatanterahana ny baikon’ny Filoham-pirenena amin’ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka izay mifanindran-dalana amin’ny filamatry ny polisim-pirenena : “Polisy miaro sy manampy vahoaka”. Mila miasa mafy sy miasa tsara hatrany isika ary manatsara ny vokatra efa azo hoentina manatanteraka izany toromarika izany ka hahatsapan’ny fiarahamonina fa milamin-tsaina izy ireo vao mahita polisy, araka ny nambarany amin’ireo polisy eo ambany fifehezany.
Jean Claude