Fahombiazana tanteraka no azon’ny Malagasy, mpikatroka taranja kick boxing, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Afrika Atsimo.
Misesisesy tato anatin’ny tapa-bolana izay ny fandresena azon’ny Malagasy mpanao fanatanjahantena, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Taorian’ny taranja tsipy kanetibe sy ny taranja lomano, anjaran’ny kick boxing indray izao no namiratra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay nifarana omaly. Medaly 16 be izao no noraofin’ny solontena malagasy, ka volamena ny 10, volafotsy ny 3 ary alimo ny 3. Taorian’ny nahazoan-dRazafindramanitra Audrey Ny Oliva ny medaly volamena roa sy nahazoan’i Brown Manirisoa Gouar ny medaly volamena iray sy alimo iray, mbola niampy indray ireo medaly ireo, tamin’ny alalan’ireo atleta malagasy 9 mianadahy niakatra ringa, omaly. Medaly volamena 7 norombahan-dry Lavakely, (Justin) Rosalde, Franck Tiana, Julio Flavien, Birinod, Moustepha ary i José Émile. Ankoatra izay, nahazo medaly volafotsy i Duco, Nalidah, ary Brown teo amin’ny “light contact”. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ary nisalotra ny medaly alimo, ry Lucas izay nahazo alimo 2 ary i Jean Fidèle Arson nahazo alimo 1. Nambaran’ny Tale teknika nasionaly, i Maronirina Anigael Gastros, izay nitarika ny delegasiona malagasy fa mafy ny fanomanana ary tena nanomana ny atleta. “Tokony ho maro noho ireo ny medaly azon’ny Malagasy, raha betsaka ny mpikatroka nandeha, saingy noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana dia ireo aloha no afaka nentina”, hoy ny fanazavany. Teo amin’ny haavo teknika kosa, nitovitovy tamin’i Madagasikara avokoa ireo firenena mpifaninana.
Mi.Raz