Barea de Madagascar A : mpanazatra 54 hisafidianana

Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, omaly, tetsy Isoraka, fa efa maro ireo mpanazatra vonona ny hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar A. Nahatratra 54 ny isan’izy ireo, ary ahitana anarana malagasy vitsivitsy, vahiny no tena betsaka amin’izany.
«Ho fantatra amin’ity faran’ny volana desambra ity ny anaran’ny teknisianina vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy. Efa nisy ny kaomisionina ara-teknika natsangana hijery sy hanivana ireo mpanazatra hita fa mendrika hitantana ny Barea», hoy ny FMF. Hifampiresaka amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) kosa ny rafitra federaly, mahakasika ny fandoavana ny karaman’izay mpanazatra vaovao ho voatendry eo.
Manana andraikitra goavana ny mpanazatra vaovao, handimby ny toeran’ny Coach Rôrô. Fanamby lehibe hapetraky ny Federasiona aminy ny hahatafakatra ny Malagasy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial”, izay hatao any Meksika sy Etazonia, ny taona 2026.

Fitia Randria

Partager sur: