Baolina kitra U15 : firenena efatra no hifanintsana

Nanatanteraka valandresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), izay tarihin-dRandriamanampisoa Alfred. Nampahafantarina tamin’izany, fa hanomboka ny 16 hatramin’ny 22 desambra ho avy izao, etsy Mahamasina sy Elgeco Plus By-pass, ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny, U15, lahy sy vavy. Miisa efatra ireo firenena hifanintsana amin’ity andiany voalohany ity. Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, handray anjara i Comores sy Seychelles ary i Maurice.
Raha ny fanazavana azo, efa ho 20 andro teo ny nanombohan’ny fampivondronana ho an’ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Nambaran’ny eo anivon’ny FMF ihany fa hifandimby hihaona ireo ekipa nasionaly hifanintsana ireo, ary izay be isa indrindra no tafavoaka ho tompondaka. Tsiahivina fa fifanintsanana nankatoavin’ny Fifa ary hotohanany ity lalao izay tontosaina eto Mada­gasikara ity.
Ankoatra izay, notolorana lelavola 5 hetsy Ariary Ran­driamihaja Aina Ken Johan, Malagasy namorona ny sary famantaran’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

Fitia Randria

Partager sur: