« Concert classique de midi »: Hiaka-tsehatra ny Choeur et Orchestre d’Andohatapenaka

Tafiditra ao anatin’ny seho faha-154. Hotanterahina ao amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny talata 17 desambra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ny « Concert classique de midi » hiarahana amin-dry zareo Choeur et Orchestre d’Andohatapenaka. Hotendrena eny an-tsehatra, amin’io fotoana io, ny sanganasan’ireo andrarezina amin’ny mozika klasika maneran-tany, toa an-dry W.A Mozart, Ray Ventura, Charles Trenet, John Rutter, G. Teleman, sns.
Raha tsiahivina, anisan’ny itoeran’ny mpitendry sy mpitsoka zavamaneno tanora ny Choeur et Orchestre d’Andohata­penaka. Mpikambana 20 mianadahy mahery, manana ny fahaiza-mampiaraka ny feon-javamaneno, eny ambony sehatra. Hitarika ity seho ity i Antsanirina Rakotoarimino. Ny Mada­gascar Mozarteum kosa no mikarakara ny fampisehoana.
Mandray anjara lehibe amin’ny fanokafana ny saina ny fihainoana ny mozika klasika. Antony iray mahatonga ny Tandrefana handefa mozika klasika ho ren’ny zanany isaky ny maraina!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: