Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny « Antsika hisôma ». Hetsika tanterahina anio sy amin’ny 20 desambra izao. Ny fikambanana Kolo Kitra sy ny Madagaslam, miaraka amin’ny IKM no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany. Kendrena ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora. Atrikasa, vaky boky, fifaninanana, fampianarana hanodina harona plastika ho zavatra azo ampiasaina sy baolina kitra azo lalaovina. Ireo no ho hita mandritra ireo fotoana ireo. Ankoatra ny fanabeazana amin’ny alalan’ny zavakanto sy fampivelarana izany, tanjona ny hitaomana ireo vondron’olona tilina hikajy ny tontolo iainana, indrindra amin’ny fandrindrana ny fampiasana ny harona plastika.
Tonga indray ny « Antsika hisôma » amin’izao ankatoky ny fialantsasatra izao. Zava-dehibe ny fitaizana ny sain’ny ankizy sy tanora, indrindra ireo mpianatra, amin’ny alalan’ny zavakanto mandritra
io vanim-potoana io. Ilaina koa ny mampahafantatra sy mampianatra azy ireo ny zava-misy ankehitriny. Izany indrindra no namolavolana ny « Antsika hisôma » izay ahitana fifaninanana Slam Kolo Kitra, fitafy tsara indrindra, vaky boky kolo kitra mendrika ary baolina kolo kitra tsara indrindra.
Lin