Hiara-hiasa ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena. Fantatra ireo paikady stratejika hanatanterahana ny asa sy ireo vina apetraka ho an’ny taona 2040.
Hampakatra 7%, isan-taona, ny tahan’ny harinkarena, hampandray anjara 30% ny sehatry ny indostria, eo amin’ny harinkarena faobe ary hampiakatra 15% ny tahan’ny fampananasa ara-dalàna ho an’ny sarambabem-bahoaka ho an’ny taona 2040. Ireo no tanjona apetraka eo amin’ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana, omaly, tetsy Alarobia, nandritra ny fanolorana ireo paikadim-pampandrosoana ny sehatra tsy miankina (SDSP). Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena maharitra sy mpiara-miombon’antoka stratejika amin’ny rafi-panjakana amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy ny sehatra tsy miankina. Tokony hamokatra ity farany raha mametraka ireo rafitra isan-karazany ahafahan’ireo mpampiasa vola manatanteraka ireo tanjon’ny famokarana eto an-toerana ny rafi-panjakana. Noho izany, manan-danja ny fitomboan-karena entin’ny sehatra tsy miankina. Sady hiteraka harena fanampiny, miantoka ny fanodinana ny otrikarena sy manamarin-toerana ny fihariana amin’izao andron’ny fanatontoloana izao.
Sehatra
Hahakasika ireo sehatra dimy miantoka ny famokarana eto amintsika ny fandaharanasa. « Ao anatin’izay ny sehatry ny angovo, ny lamba, ny fanodinana ny vokatry ny fambolena, ny asa tanana ary ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME)», hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David. Mila ampitomboina ireo noho izy miantoka ny fidiram-bola ho an’ny Malagasy. Andry iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena kosa ny PME. Tanjona ao anatin’ny SDSP ny hamaritra ireo vina lavitr’ezaka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sehatra tsy miankina.
Henintsoa Hani