Nifarana omaly iny ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo parlemantera. Inona no zavatra vita? Firy ny lalàna nolaniana? Fanontaniana izay manitikitika ny saina manoloana ity fomba fiasa eto amin’ny tanàna ity. Ny mpanao lalàna indray sanatrian-dresaka tsy manaraka izany. Manakorontana lamina!
Nampiavaka ny fotoam-pivoriana tamin’ity indray mitoraka ity ny tsy fisian’ny fihaonana mivantana teo amin’ny depiote sy ny governemanta. Aiza dia ny tena vontoatin-draha mihitsy no nofoanana. Na inona na inona antony? Mariky ny fanaovana tsinontsinona ny Lalàmpanorenana izany, andaniny. fanivaivana ny vahoaka malagasy ihany koa, ankilany.
Amin’ny fotoana ilan’ny mpifidy azy vao mikilavaka sy manao ny tiany hatao ny mpitondra. Samy mitondra ny lohany na ny fahefahana mpanao lalàna na ny mpanatanteraka. Fanina ny mpitazana! Tsy taitra intsony amin’ny gaboraraka sy fanaovana izay danin’ny kibony eto amin’ny tanàna. Iza tokoa no fakan-tahaka, tsy ry zareo eny ambony?
Fanairana ihany ny fakafaka tahaka itony satria mora kokoa ho an’ny olona ny maka tahaka ny ratsy. Sao sanatria ho zatra ny lalan-dririnina, hanao lala-manivaka tsy misy arofanina ilay vahoaka. Sarotra ny mamaha izay olana izay raha mirohotra ho amin’ny fanosihosena lalàna ny daholobe. Tsy tokony hisy ny mandeha ho azy! Any amin’ny fanarahan-dalàna no tena ilana ilay manara-penitra.
r r