Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny « Joy& Mercy ». Fampisehoana evanjelika iarahana amin’ny antokom-pihira The Singers of Jesus izy ity. Ho hita ao avokoa ireo hira nahafantarana ity antokom-pihira ity. Hisy ihany koa ny zava-baovao nomanin’izy ireo ho an’ny mpankafy azy mandritra io fampisehoana io.
Mbola vitsy ihany ny Malagasy mahafantatra ny lanjan’ny saripika. Mbola mijanona eo amin’ny fihetseham-po (fahatsiarovana, alahelo, hafaliana…) no tazana eo amin’ny endriky ny Malagasy mijery na mahita saripika. Mbola mila fanabeazana ao anatin’ny fotoana maharitra mba hahafantatra fa mirakitra tantara izy ireny. Ny tantara izay fototra iray tsy azo bangana eo amin’ny fiainan’ny taranaka.
Fatratra raha haka tahaka be fahatany! Mbola ny Malagasy ihany no mitana ny laharana faharoa maneran-tany. Na, malaza ho mpaka tahaka aza ry zareo Sinoa, hoentiny maneho zava-baovao izany. Ny an’ny Malagasy, indray, mivarotra anana ny atsy atsimo, nanjary mpivarotra anana avokoa ny lafiny efatra… Toe-tsaina tsy mitondra any amin’ny fivoarana!
Nanomboka omaly ary mitohy anio ny fampisehoana maimaimpoana, etsy amin’ny Plaza de la Fortune Ankazomanga. Efa tao ny tarika ‘Zay, Stéphanie, sns, omaly. Hifandimby an-tsehatra, anio sy rahampitso, kosa ry Black Nadya, ayo Naej, Caesar, Mage 4, Lion hill, Samoëla, Tempo Gaigy, sns.