Manome lanja hatrany ny taninketsan’ny basikety ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Antony nikarakarana ilay fifaninanana “Kid’s Star” ny faran’ny herinandro teo, izay natao teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fifaninanana natokana ho an’ny U10 hatramin’ny U12. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Andriatsima Hery, fa hoavin’ny basikety rahatrizay ireo katitakely ireo ka mila omena sehatra. Tetsy ankilany, natao omaly ihany koa ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja basikety, ho an’ny sokajy U16, U18 ary U20, lehilahy sy vehivavy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny U16 sy U18, ny JCBA sy ny MB2ALL. Ny DTSC sy MB2ALL kosa no tompondaka ho an’ny sokajy U20. Tohin’ny fandaharam-potoana, hanatanteraka fifaninanana hiarahana amin’ny ligin’i Vakinankaratra ny ligin’Analamanga, ny 27, 28 ary 29 desambra izao, any Antsirabe. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2025.
Mi.Raz




