Vonona hiara-hiaina sy hitondra fampandrosoana ary hanohana ny Malagasy hatrany ny Orange Madagascar. Nisy ny hetsika « Krismasy mizara hafaliana » niarahany nitotorebika tamin’ireo mpanjifa, mpiara-miombon’antoka samihafa, mpiasa avy ao amin’ny Orange Madagascar ary ireo ankizy avy ao amin’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar, teny Ilafy, omaly. Fotoana mamy nifampizaran’ny rehetra hafaliana amin’izao vanim-potoana ankatoky ny fetin’ny noely izao. « Vonona hanohana sy hitondra fampandrosoana ny Malagasy na aiza na iza ny Orange Madagascar. Feno tanteraka ny fo fa tontosa izany nandritra ny hetsika natao », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord, tamin’ny lahateniny. Araka ny teny filamatr’ity tambajotram-pifandraisana ity hoe « Eo anilanao », dia nifampizara hafaliana ny rehetra tao anatin’ny firaisankina sy fifankatiavana. Nisitraka fanomezana ihany koa ireo ankizy avy ao amin’ny fikambanana tohanan’ny Orange Madagascar.
Tsiahivina, nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanohanana ny vehivavy hatrany ity tambajotram-pifandraisana ity tao anatin’ny 20 taona mahery. Mbola vonona hanamafy ny asa ataony ho an’ireo taona maro izy hampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny toekaren’i Madagasikara, fa indrindra hanome ireo tolotra tsara sy tambajotra matanjaka manerana ny Nosy, ho an’ny rehetra.
Henintsoa H.