VAOVAO TAMBATRA

Miisa 232 688 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, nandritra ny 11 volana, taona 2024. Mahatratra 26 158 ireo antontanisan’ny mpizahatany nitsidika ny Nosy malagasy nandritra ny volana novambra teo. Niakatra ity taherimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay 23 980. Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.

Nisitraka fampitaovana avy amin’ny tetikasa Mionjo hanohanana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ireo mpisehatra samihafa. Ao anatin’izany ny solosaina miisa 41 sy kojakoja mifanaraka amin’izany, izay miisa 41 ary ny fitaovan-tserasera toy ny tablettes miisa 20 ary fiara tsy mataho-dalana miisa telo. Tanjona ny hampiroboroboana ny rojom-pihariana misy fiantraikany mivantana amin’ny tokantrano marefo.

Lany nandritra ny fivorian’ny Antenimieran­doholona ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia ny findramam-bola ho an’ny tetikasa fanatsarana ny Corridors sy ny fanamorana ny varotra sy ny famatsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Comesa ary ny ranomasimbe Indiana, andiany faharoa. Nanao sonia izany i Madagasikara sy ny famatsiam-bolan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena.

Partager sur: