Saripika : Hizara fihetseham-po ny “Mi-Tily Sary”

« Ho tiavinay… Madagasi­kara ». Lohahevitry ny fampirantiana saripika, izay haseho ao amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina io, manomboka ny sabotsy 21 desambra izao ka tsy hifaranana raha tsy ny 25 janoary 2025. Fikam­banana mpankafy sary, izay samy mpisehatra eo anivon’ny Tily eto Ma­dagasikara ny « Mi-Tily Sary ». Hitondra ny mpitsidika hianjoria manerana an’i Mada­gasikara, amin’ny alalan’ireo saripika voafantina, maneho fihetseham-po maro izy ireo mandritra io fotoana io. Natao indrindra hanasongadinana an’i Madagasikara indray, amin’ny alalan’ireo zava-tsara hita maso sy azo tsapain-tanana, hanehoana hatsarana amin’ny alalan’ny saripika ny fampirantiana. Mety ho ny ranomasina, ny fiainana manodidina azy. Ny atiala manintona, toerana an­kafizin’ny skoto. Ny mpiara-mo­nina eny rehetra eny, ny endri-kolontsaina nifandovana, taratry ny fahendrena malagasy ary harena mitoetra, sns.
Samy manana ny zoro amoahany ny aingam-panahiny ireo mpaka sary, ary samy manana ny talentany ihany koa. Itoviana kosa ilay endrika fitiavan-tanindrazana, efa la­lantsaina voizin’ny fikambanana misy azy ireo ka nanosika azy koa amin’izao tetikasa izao.
Maromaro ireo mpaka sary mivondrona anatin’ny “Mi-Tily Sary”, nandritra izay 10 taona nisian’ny fikambanana izay. Misy amin’izy ireo no efa fanta-daza sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny saripika. Anisan’ ireo hampiranty ny sanganasany ry Ambitry Matselaka na Rama­sy, Tsiaka Marisika (Tsiaka Ken’art), Frank Rama, Andriafitahina Tiavina, Mahefa Andrianina, Hoby Razafiman­dimby, Andry Nantenaina, Ste­fano Sensäi, Miaro Ramiandra­soa, Vahoaka Malala, Ambitry Mavitrika, sns.
Raha tsiahivina, ny volana mey 2014, nandritra ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny Tily eto Madagasikara no ni­tsangana ny “Mi-Tily Sary”. “Sary indray andro…Sary mandrakizay” no lohahevitra nentin’izy ireo nandritra izany. Natao ho fanandratana ny zavakanto sy ny soatoavina maha skoto amin’ny alalan’ny sary izy ity, izay nentin’ny fikam­banana hatramin’izao.

Zo ny Aina

Partager sur: