TARATRY ny KANTO

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo indray ny hiran’ny Cyphaka, avy amin’ny Zaza Rap Taiza. « Tsy ho bado » no lohatenin’ity hira ity. Hira izay miresaka mahakasika ny fanabeazana sy fampianarana eto Ma­dagasikara. Eklips, Kipikilahy Bandaem, Tovolah, Geoscar, Mashmanjaka, Fab’s, Big Jimdah, Septic, Bolo, Ratsilahy ary Printsy no niaraka nanatontosa izany.
Lasa sy mintonona ho mpanandro avokoa ny Malagasy! Eny, tena izay mihitsy izy fahiny, satria, saika nahay nanaraka ny lamina voajanahary izy ireo. Ny ankehitriny, hafa mihitsy ny toerana omena ny mpanandro, noho izy ireny manana fahaizana tsy ananan’ny hafa. Amin’izao fotoana kosa, na ireo zaza vao iray ranonorana sy tsy mipi-bolo aza, mitonona fa mahay manandro… Mpanandro!
Ao amin’ny Alliance française d’Antsirabe indray no ahitana ny “Disco Afrika”, anio. Izy ity izay horonantsary malagasy anisan’ny miavaka, mitondra fahalalana sy mampahafantatra zavatra maro ary ny zava-misy eto Madagasikara. Ao anatin’ny fitetezam-paritra izy amin’izao ary natokana ho an’ireo ankizy mpianatra ity hetsika anio ity.
Nanjary fitiavana sisa no hanoratana boky. Tsy miompana intsony any amin’ny tanjona maro loha (fanabeazana, fampitam-pahalalana, fitahirizana mba tsy ho very…), ny mpanoratra fa “entanim-pitiavana” dia manoratra. Antony iray tsy hisian’ny boky mivoaka io. Mihena ilay fitiavana, mihena ny famoahana boky. Raha mbola tsy omena lanja ny rohim-boky manontolo, ho lany taratasy hatramin’ny mpivarotra ramanonaka sy mofogasy!

Partager sur: