Misongadina i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Azon-dRakotoarivony Viviane ny loka voalohany « Sary ho an’ny maha olombelona 2024 » na « Photography 4 Humanity » (P4H). Iarahan’ny Firenena mikambana ho an’ny zon’olombelona sy ny fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana, RHRN Climate, ny fikarakarana ny fifaninanana. Tanjona ny hanasongadinana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny zon’olombelona. Nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe « Ravan’ny rivodoza Freddy ny tanànan’Ambalakondro » ireo sary miisa dimy nalefan’i Viviane, nifanandrify tamin’ny zavatra nandrasan’ireo mpitsara.
Nambarany fa « fankasitrahana ny asa mafy sy fikirizana nataoko izao ». Naseho nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona tany New York, ny 10 desambra teo, ny sanganasan’i Viviane. Haranty any amin’ny Oniversiten’i Oxford, any Etazonia, koa manomboka amin’ny 4 jona 2025.
Njaka A.