Tonga tany Ibity Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny alakamisy 12 desambra teo, ireo vahiny mpamorona hetsika ara-pizahantany. Azo atao
any an-toerana, hoy izy ireo, ny fandehanana an-tongotra (trekking) ahafahana mahita tontolo mahasondriana, ny tanànan’i Manandona. Tafiditra ao anatin’ny Madagasikara Uncharted, iarahan’ny ONTM
sy ny Where Is This ny hetsika, hanarahana ny toerana mahaliana ara-pizahantany amin’iny lalana RN7 iny.
Hiditra ao anatin’ny tetikasa M300 i Madagasikara, mahakasika ny hampisitrahana herinaratra miisa 300 tapitrisa aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, tohanan’ny Banky iraisam- pirenena (BM) sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona napetrak’i Madagasikara, amin’ny tetikasa, ny hampitomboana avo roa heny ny misitraka herinaratra eto amintsika, amin’ny taona 2030.