Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo, io no lohahevitra nanokafana ny taom-pambolen-kazo 2024-2025, tao amin’ny kaominina Andekaleka, distrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana, omaly.
Miisa 80 000 ireo zana-kazo novolena tamina velaran-tany 50 ha mba hiarovana ny tontolo iainana sy hahafahana mamokatra angovo amin’ny alalan’ny riandrano ao Andekaleka. Tanjona ny hamatsiana ireo renirano sy riandrano manodidina ny tohodranon’Andekaleka, toy ny ao Sahanoka sy Antoby, mba hamokarana angovo hamatsiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) sy hampitomboana ny famokarana ny rano hamatsiana ny mponina, fa indrindra hiarovana ny tontolo iainana.
Ritra tanteraka ny rano ao Andekaleka, mampihena ny famokarana angovo eto Antananarivo sy ny manodidina izay miantraika betsaka eo amin’ny toekarena sy ny fidiram-bolan’ny mponina. Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny hamerina ny ala simba. Manodidina ny 100 000ha isan-taona rahateo ny ala may eto Madagasikara, antony mahatonga antsika lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy marefo manoloana ireo loza voajanahary.
Fotodrafitrasa
« Hanomboka amin’ny herinandro ny fametrahana ny vato fototra hanamboarana ny tohodrano Hydroélectrique ao Rano-famana izay hamokatra 64MW », hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hovitaina ao ao anaty fotoana fohy, hoy izy, ny asa ary hamatsy ny 30% ny herinaratra eto Antananarivo ity fotodrafitrasa ity. Ankoatra izay, hamboarina koa ny lalamby mampitohy ireo kaominina ao amin’ny distrikan’i Brickaville ialana amin’ny fahasahiranan’ny mponina sy ahafahana mitatitra ireo vokatra ao an-toerana.
Mbola mijanona ho olana eto amintsika ny fahapotehan’ny tontolo iainana ka manimba ny fihariana. Ny tontolo iainana izay andry iankinan’ny famokarana sy ny fampandrosoana eto amintsika noho izy mifandraika amin’ny fandraharahana sy ny toekarena. Adidin’ny tsirairay ny mikajy ny tontolo iainana antoky ny fampandrosoana lovainjafy.
Henintsoa Hani