Fiovaovan’ny toetr’andro: Tohanan’ny Soisy ireo mpamokatra Cacao

Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny famokarana Cacao ny masoivohon’i Soisy eto Ma­da­gasikara. Tohana amin’ny alalan’ny tetikasa fampiofanana sy fanavaozana izany. Nahafahana nampihatra ireo teknikam-pambolena lovainjafy ny fiaraha-miasan’ireo Soisy mpikaroka sy ireo fi­kambanana eto an-toerana. Tanjona ny hanatsarana sy hampaharitra ny kalitaon’ny vokatra. Ianarany ao anatin’izay ireo fomba fanao ma­hom­by iatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro.
« Vahaolana anisan’ny manatsara ny toe-tany sy antoka ho an’ny famokarana maharitra ary lavitr’ezaka », hoy ny masoivohon’i Soisy ny fambolena anaty ala.
Tanjona ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny hametrahana ireo fanamby manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hampiroboroboana ny toekarem-pirenena. Ma­rihina fa mitondra ny fa­nampiana ara-teknika sy ny fizarana traikefa ary ny fahaizany hatrany ireo teratany soisy ireo. Tanjona ny hahafahan’ireo mponina miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Henintsoa H.

Partager sur: