ANAC : Tanjona ny haha matihanina ny zavakanto

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny “Noelin’ny Anac-A Magical Christmas”. Seho miavaka amin’ny hira sy dihy, niompana indrindra amin’ny fankalazana sahady ny Krismasy no hita nandritra izany. Ireo mpianatra eo anivon’ny Académie nationale des arts et de la culture (Anac) no naneho ny fahaiza-manao sy ny talentany nandritra ity hetsika ity. Fotoana ihany koa nanehoana ny fahalalana sy fahaizana norantovin’izy ireo nandritra ny taona. Niatrika sy nanome voninahitra izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna.
Ambohi-pihaonana sy fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny Anac ny teny amin’ny Havoria Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ity rantsamangaikan’ny minisitera ity izay miezaka mampanara-dalàna sy mampanara-penitra ny zavakanto samihafa eto Madagasikara. Tanjona ao anatin’izany ny hivelaran’ny zavakanto malagasy sy ny mpiangaly izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny fitazonana ny maha izy ny zavakanto mampiavaka an’i Madagasikara. Anisan’ny vokatra nivoaka teo amin’ity ivontoerana ity ny Madagascar Orchestra, vondrona mpitendry zavamaneno manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny mozika klasika eto Madagasikara sy any ivelany. Eo ihany koa ireo mpandihy sy vondrona mpandihy maro efa nitondra avo ny anaran’i Madagasikara teo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena.

Lin

Partager sur: