Tolo-kevitra, tolo-tanana…

 

Anisan’ny mahavariana sy mampiaiky ny vazaha amin’ny Malagasy, hono, ny famaliana fanontaniana ny fanontaniana, ohatra: “Ao ve dadanareo?” Valiny: “Hataonao inona izy? Misy ilanao azy angaha? ” Fa mahavariana ny vahiny koa ny mbola mahavelona ny Malagasy amin’izao hoe fahantrana izao: lalina, maharitra, manenika… Nahoana, hono, no mbola velona? Mba ohatrinona, ohatra, ny tombony azon’ny mpivarotra madinika etsy sy eroa tontolo andro? Nefa mety ohatrinona ny tomban-tsakafo laniny indray andro? Indrindra raha mamelona ankohonana..
Tsy inona fa tena ao anatin’ny fihafiana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao. Rehefa tsy maty dia izay? Fa eo indrindra koa ny fifampitsinjovana; eny, na samy tsy manana sy tsy an’asa aza, ohatra: valala iray ifanapahana, tsy misy manana ny ampy… Tsy ananan’ny tandrefana izay? Ny ray aman-dreny niteraka izao aza, ateriny eny amin’ny akany na toby fitaizana zokiolona rehefa manahirana azy. Hafa ihany ny Malagasy? Mifampitsimbina mandrakariva na toy inona fahasahiranana. Tsara hatevenina, hamafisina, tanana mandrakariva… Zava-dehibe? Fa tsy latsak’izany ny fifanomezan-tanana, tsy amin’ny fifanampiana ihany fa amin’ny asa ifarimbonana: valin-tanana, tanamaro… Ahoana no itrandrahana izany ho amin’ny fampandrosoana iaraha-manana? Asa sady fampandrosoana no andraisana valin-kasasarana ho amin’ny fihatsaram-piainana kokoa. Efa misy ny asa fampiasana olona etsy sy eroa, fa mbola tsy ampy na mandalo ihany sy tsy mahahenika ny rehetra.
Ilaina ary tsy ratsy ny fifampitsinjovana, fa zava-dehibe sy manome hasina ny olona arakaraka izay mety ho vitany sy azony atao ny fifanomezan-tanana amina asa mivaingana mivantana. Mby aiza? Fieritreritra amin’izao famaranan-taona izao hakana vahana… Hijanona amin’ny fahasahiran-dava ve?

R. Nd.

Partager sur: