« Festival Sakaleona» : Hanasongadinana kokoa an’i Nosy Varika

Sahala amin’ireo faritra sy distrika hafa, hampiseho ny mampiavaka azy ihany koa ny distrikan’i Nosy Varika. Hetsika hampahafantarana misimisy kokoa ity distrika ity, indrindra eo amin’ny kolontsaina sy zavakanto.

Tanterahina ny 20 hatramin’ny 22 desambra 2024, any Nosy Varika, ny « Festival Sakaleona ». Andiany voalohany izy ity ary hanandratana ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny maha izy iny distrika iny no tanjona ao anatin’izany. Eo ihany koa ny fijerena akaiky ny tanora ao an-toerana sy ny famaliana ny filàn’izy ireo ary ny fampahafantarana bebe kokoa an’i Nosy Varika. Hetsika maro samihafa no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny kolontsaina sy ny zavakanto. Eo ihany koa ny ara-panatanjahantena sy ny sosialy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ny hetsika ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina.
“Hisongadina ny zavakanto sy ny fanatanjahantena mandritra ny hetsika isarihana ny mpizahatany ho tombontsoa ara-toekarenan’ny distrika”, hoy i Miraimanana Sami­lahy, mpikarakara. Hanoka­fana ny andro voalohany ny “Mamoa mandry”. Hitohy amin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy fampiofanana ary famaliana ny filàn’ny tanora, ahafahany miatrika ny hoaviny. Eo ihany koa ny fifaninanana vakodrazana sy fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto malaza sy ireo avy ao an-toerana ary ny fitsidihana ireo toerana ara-kolotsaina mampiavaka ny faritra.

“Kolontsaina, vatofototry ny fampandrosoana”
“Sehatra anisan’ny mampanan-karena ny Malagasy ny kolontsaina ary anisan’ny va­to­fototry ny fampandrosoana”, hoy ny minisitry ny Se­rasera sy ny kolontsaina, Mara Vola­miranty Donna. Izany indrindra no hanohanan’ny minisitera ireo hetsika maro manandratra ny zavakanto sy ny kolontsaina. Fanason­gadi­nana ny zavakanto sy kolontsaina miisa 21 no notohanan’ny minisitera tao anatin’izay 100 andro niasana izany. Ani­san’izany ity “Festival Saka­leona” andiany voalohany ity.

Lin

Partager sur: