Nantenaina: Hiverina amin’ny mozika

Tsy niala lavitra akory… Fa noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny maha ben’ny Tanànan’i Toamasina azy, tsy afaka nivalampatra firy tamin’ny mozika i Nantenaina. Tsy nilatsaka ho fidiana intsony kosa anefa izy farany teo, ary efa nahavelombolo ireo mpankafy izany. Nanamafy tamin’ny fomba ofisialy kosa i Nantenaina, omaly, tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo: hiverina tanteraka amin’ny mozika izy.
“Mifarana ny volana janoary izao ny andraikitra maha ben’ny Tanàna. Nitohy foana ny mozika tao anatin’izay, na somary tery aza ny fotoana. Maro ireo hira noforonina tsy mbola tafavoaka, ka hanesy hamoaka ireo vokatra ireo izao. Ny vaovao lehibe hozaraina amin’ny mpankafy, hisy ny fitetezam-paritra lehibe homanin’ny tarika Nantenaina amin’io taona ho avy io”, hoy ny fanamafisana nataony.
“Nantenaina Tour 2025: Revy sy tononkira” ny nampisalorana ny fitetezam-paritra. Hatomboka any amin’iny Atsinanana iny, izay tanàna nahabe sy maro mpankafy an’i Nantenaina izany: Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Toamasina, Mahanoro, Ambatondrazaka ary Moramanga. Horaisin’ny SR Event kosa ny seho eto Antananarivo.

Zo ny Aina

Partager sur: