Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Taona 2021, nitrandraka sy nikirakira ny kanto momba ny hira sy mozika i Nast’em. Niatomboka tamin’ny mozika rap. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokatry ny kanto ataony izy. Ankoatra ny fihirana, manan-talenta amin’ny famoronana tononkira ihany koa i Nasandratra Eric Manana. Amin’ny ankapobeny, mirakitra fanabeazana sy hoenti-mampita hafatra ho an’ny mpiara-belona izy ireny. Tendrena avokoa ireo feonkira entin’ity mpanakanto ity mandravaka ireo tsanganasany. «Ny hahafahana mampisy aina bebe kokoa ireo hira sy mampisongadina ilay fanahy raiketiny no antony », hoy i Nast’em. Hatevenina sy hdirana lalindalina hatrany ireo rehetra ireo manomboka izao, raha ny fanazavany hatrany. Hivelatra amina gadona maroloko, atsy ho atsy, ny tarika ho fanomezana fahafaham-po ny sokajin-taona rehetra. Vina lehibe ny hiakarany an-tsehatra ny taona 2025.
Raha tsiahivina, ilay vazo «Miverena» miventy sy mivetso ny endrim-pitiavana eo amin’olon-droa tojo olana noho ny antony maro no nentin’ity mpanakanto ity nambaboana ny fankafizan’ny olona maro azy. Apetrak’i Nast’em ho zava-dehibe amin’ny zavakanto ataony ny fitandremana ny hasina maha olona.
HaRy Razafindrakoto