Atao eto Antananarivo, ny 17 sy 18 desambra, ny atrikasam-pirenena stratejika momba ny Rafitra ara-tsakafo. Miompana amin’ny hitondrana fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny lahadinika, araka ny fanamby natao nandritra ny Fivoriana an-tampon’ny Rafitra ara-tsakafon’ny Firenena mikambana (FAO), ny taona 2021. « Ataon’i Madagasikara laharam -pahamehana ny rafitra ara-tsakafo, hanatsarana ny fahasalamana, hampavitrika ny rohim-pihariana sady hahamarin-toerana ny toekarena, toy ny famokarana sy ny fanjifana », hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio. Fanoitra lehibe ny fanodinam-bokatra entina hiady amin’ny fahantrana, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fiovaovan’ny toetr’andro. Hisy maridrefy hanombanana ny fivoaran’ny zava-bita ny taona 2025-2030. Nanatrika ny fotoana koa ny solontena avy any Bénin sy ny Repoblika demokratikan’i Congo. Miara-miombon’antoka amin’ny Minae ny ONN, ny FAO, ny Unicef, ny Pam, ny Fida, ny Onudi, ny Agsys ary ny Shamba Centre for Food &Climate.
Njaka A.