VAOVAO TAMBATRA

Ambany ny tohodrano mpamokatra herinaratra ka mitarika amin’ny tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Voatery mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny Jirama. Mampimenomenona ny olona anefa ny fahatapahan-jiro amin’ny alina noho ny olan’ny tsy fandriampahalemana
Mitotaly 35 600 ireo mpizahatany tonga nitsidika ny tahirin-javaboahary Analamazaotra, Andasibe, nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny 12 desambra teo. Malagasy avokoa ny 35% amin’ireo mpitsidika. Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara.
128 000 ireo olona nivezivezy tamin’ny fiaramanidina manerana an’i Madagasikara, nandritra ny volana oktobra. Sidina anatiny ny 31% raha sidina ivelany ny 46% ary olona nanao sidina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny 23%. Mitotaly hatrany amin’ny 186 000 kosa ny seza lafo nandritra io fotoana io.
Misokatra ny fifamoivoizana eo amin’ny fivilian-dalana ao Manambery, RNS5A, eo anelanelan’i Vohemar sy Sambava, taorian’ny fanamboarana natao vokatry ny fiakaran’ny rano. Natomboka ny alahady teo ny fanarenana ny fotodrafitrasa ka nisy ny andrana fandefasana fiara vaventy tsy misy entana tamin’izany.

Partager sur: