Mitentina hatrany amin’ny 175 Miliara Ariary na koa 35 tapitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny Vondrona eoropeanina ho an’ny fandaharanasa « Faritra Arovana Mirindra » (Famindra). Famatsiam-bola natokana ho an’ny faritra arovana sy ny fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina. Nanao sonia izany ny masoivoho ny vondrona eoropeanina sy kaomoro eto Madagasikara, Roland Kobia sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, teny Ampandrianomby.
Tranon’ny diplomasia maitso
Ankoatra izay, notokanana teny an-toerana ihany koa ny tranon’ny diplomasia maitso, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD). Toerana handinihina sy hanamafisana ireo paikady entina hiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Handrindrana ihany koa ny adisisika sy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mahakasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
« Manomboka izao, ho tanterahina ato amin’ity tranon’ny diplomasia maitso ity ny fivoriana iarahan’ny minisitera sy ireo mpiara-miobon’antoka samihafa», hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine. Namatsy vola tamin’ny fametrahana ity fotodrafitrasa ity ny 11ème Fonds Européen de développement (FED).
Henintsoa Hani