Zava-dehibe ny fiaraha-mifaly amin’izao vanim-potoanan’ny Noely izao. Izany indrindra no namolavolan’ny fitondram-panjakana hetsika maro entina hiaraha-mifaly amin’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka.
Tanterahina ny 21 hatramin’ny 24 desambra izao, ao amin’ny Kianja Masoandron’ny Rovan’i Madagasikara, ny «Concert de Noel». Hetsika fankalazana ny krismasy omanin’ny filohan’ny Repoblika mivady, miaraka amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fampisehoana iarahana amina mpanakanto fanta-daza maro sy seho isan-karazany no hameno no fandaharam-potoanan’ny «Concert de Noel». Nampanantena ny mpikarakara fa seho amin’ny endriny miavaka no ho hita amin’io fotoana io. Tanjona ao anatin’izany ny hampiray hina ny rehetra sy hifampizarana fitiavana.
Misy hatrany ny hetsika fifampizarana hafaliana karakarain’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika isan-taona. Noezahina nohatsaraina ny fanatanterahina izany amin’ity taona ity ho fanomezana fahafahampo ny rehetra. Anisan’izany ny toerana hanatanterahina azy. Natao eny amin’ny Kianjan’ny Masoandro ity hetsika ity ho fampiroboroboana izany toerana izany sy fitaomana ny olona hitsidika ireny toerana manana ny maha izy azy eto Madagasikara ireny.
“Noelin’ny Fitia”
Ankoatra ny “Concert de Noel”, misy ihany koa ny hetsika “Noelin’ny Fitia”, atao eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. Manomboka ny 20 desambra 2024 hatramin’ny 5 janoary 2025 izany. Hetsika ahitana ny endriky ny Noely. Avy amin’ny filohan’ny repoblika mivady, miaraka amin’ny fiadidiana ny repoblika sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany ity hetsika ity. Nosafidiana manokana ihany koa ny zaridainan’Ambohijatovo noho ny maha toerana afovoan’ny tanàna azy. Eo ihany koa ny maha toerana manan-tantara azy ity.
Lin