Asa soratra : Namoaka boky vaovao i Esther R. R.

Azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny fivarotam-boky nanomboka ny 17 desambra teo ny boky Ranavalona III (1883- 1897) . Esther R. Randriamamonjy (ERR) no nanatontosa ny fanoratana ity boky ity. Asa soratra ahitana pejy miisa 155 izy ity. Aingam-panahy avy amin’ny fiainana sy fotoana naha mpanjaka an-dRanavalona III no narakitra ho tantara. Araka ny nambaran’ny mpanoratra : “zava-dehibe ny fampitana ny tantara sy ny zava-nisy marina amin’ireo taranaka. Izany indrindra no anton’ny nanatontosaina izao boky izao”.
Anisan’ireo Malagasy mpanoratra maro mpankafy indrindra i ERR. eto Madagasikara. Karazana asa soratra maro no niseharany. Anisan’ny tena nahafantaran’ny maro azy ny tantara ho an’ny ankizy “Sodin’i Solofo”, ny taona 1975. Teo ihany koa ny tantara foronina “Ho avy ny maraina” ny taona 1994. Teo ihany koa ny nandikana ny boky “Trano rava” tamin’ny teny rosianina, izay anisan’ny fahombiazana lehibe ho an’ity Malagasy mpanoratra ity.
Maro anefa ny asa soratra, indrindra ny boky, navoakany ankoatra ireo. Mpanoratra anisan’ireo nandika boky teny Frantsay ho amin’ny teny Malagasy koa i ERR. Anisan’izany ny “Les Miserables” an’i Victor Hugo.

Lin

Partager sur: