Tafaverina an-tanindrazana ny tarika Iraimbilanja. Avy nanatontosa seho maromaro tany Frantsa izy ireo, ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy any an-toerana. Efa manome fotoana sahady ireo niandry fotoana elaela ihany koa : ny sabotsy 21 desambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany etsy amin’ny Karibotel Analakely.
Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 24 desambra izao eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina ny “Kanton’i Gasikara”, andiany faha-22. Hetsika hanandratana ireo asa tanana malagasy sy hanomezana sehatra ireo mpiangaly izany. Ankoatra ny zavakanto vita amin’ny tanana, ho hita eny an-toerana koa ireo vokatra vita malagasy.
Samy mamakafaka ny vita sy ny tsy vita tao anatin’ity taona 2024 madiva hivalona ity. Ny hita miharihary, mbola lavitra ho an’ny Malagasy ny miaina indray ny lamina voajanahary. Ny miaina ny maha izy azy (teny, fomba amam-panao… Na izany aza, nitombo kosa ilay hafanam-po hikaroka ny momba ny tena (tanin-drazana, razana nipoirana…).
Teny amin’ny IST Ampasapito indray no nahitana ny ekipan’ny Gasy Stand-Up, omaly. Nandray anjara tamin’izany i Lanja Babeine, Tsiresy, Raytra Belaw’yck, Joaly, Ely, Aina Maharavo ary Vanintsoa. Tsy ampy ho an’ireo mpanao hatsikana ny fotoana nanaovana ny hetsika. Tsapa ho efa mahazo toerana ny hatsikana eto Madagasikara, raha ny seho nataon’ireto Gasy Stand Uppers ireto.