Miandry am-pitoniana

 

Higadona ny andro malaza. Hivoaka anio atoandro ny voka-pifidianana eto an-dRenivohitra. Inona no hiseho? Hoy ny mpijery miiba. Hiditra amin’ny manara-penitra sy ara-dalàna kosa Antananarivo, hoy ny olona mijery ambony. Samy miandry izay didy vonjy maika avy amin’ny Ceni izany. Ity farany izay efa nilokaloka fa madio sy araka ny fenitra ny zotram-pifidianana. Tomombana sy vita araka ny tokony ho izy ny anjara asany.
Ny ambana aloha no mampihorin-koditra, ny resabe sy ny tsahotsaho no mila fitandremana. Ny mpandrangitra eny amin’ny tambajotran-tserasera tokony ho fehezina. Ireny sokajin’olona ireny no mandrehitra ny afo sy manakorontana ny daomy eto an-tanàna. Ny samy kandidà aza anefa izao efa samy nanakombom-bava. Ny tia sehoseho sy ny be fihetsiketsehana sisa no tazana eny an-tsefantsefany eny.
Ny mahavariana, ny mpomba izay mbola tena mafana fo. Sodoka sy resy lahatra amin’ny olona tohanany. Ny zava-misy anefa dia hita taratra fa manao vazaha mody miady avokoa izy fito mianadahy. Samy baikoin’ny tombontsoan’ny tenany aloha, vao mijery ny tanàna. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra izy ireo fa resy lahatra noho ny fitiavana. Tsy azo lavina ny kajikajy politika!
Nahatonga saina ny fampianaran’ny depiote iray eto an-dRenivohitra izay hoe: raha hanao politika ihany dia vola sy voninahitra e! Mivadika izany ny baikom-pitolomana, ka tsy mahagaga raha mikororosy ny fiainam-bahoaka. Samy mitady izay ho an’ny tenany, fa navalona tanteraka ny ho an’ny besinimaro sy ilay tanindrazana. Ireo natenain-kanirina rahateo aza ireny efa niaraha-nahita fa nampivandravandra. Mpiantsehatra fototra amin’ny tsy fanarahan-dalàna.
Na inona na inona anefa ny ahiahy tsy hihavanana hatreto! Ny fahamailona ihany koa tsy azo atao ambanin-javatra. Samia miandry am-pitoniana!

r.r

Partager sur: