Mozika: mbola vitsy ny Malagasy mahay sorapeo

Mahay mozika. Mahay mi­hira. Mahay mitendry zavamaneno, ny Malagasy. Fony mbola tsy tafaroboka tao anaty mozikam-barotra ny vanim-potoana, vao mainka mitombona ireo. « Mahay mozika iana­reo. Tsara be ny mozikanareo, sns », hoy ny vahiny. Tsy mba nanaraka sorapeo na naoty anefa ny Malagasy… Taorian’ ny nidiran’ ny vahiny teto, in­dray, ny mpitondra fivavahana no tena havanana amin’ny fampiasana ny sorapeo.
Ankehitriny, mbola vitsy ihany ny Malagasy mahay ma­noratra sy mamaky sorapeo. Ao aza ireo mandà mafy ny amin’ny fampiasana azy io amin’ny fitendrena ny hira ma­lagasy sasany. Mibahan-toerana ny fiheverana fa « an’ny vahiny ny sorapeo ». Hatra­min’izao, anefa, mbola ny sora­peo no « fitaovana iraisam-pirenena » ahafahan’ny mo­zika (hira, zavamaneno…), sy ny mpitendry zavamaneno na ny mpihira mifanakalo.
Tsy mbola manan-danja loatra amin’ny Malagasy ny fahaiza-mifehy ny sorapeo noho izy tsy nobeazina tamin’ izany. Mitoetra hatrany ilay fiheverana fa «na hira mala­gasy izao aza no tendrena, raha vao mampiasa sorapeo dia manjary hira vahiny» ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: